
𝗔𝗸𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝟴 𝗺𝗮𝗿𝘁𝘀𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟯
Isan’ireo nandray anjara tamin’ny diabe fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy izay notarihan-dRamatoa Mialy RAJOELINA, vadin’ny Filoham-pirenena, tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny maraina teo ny vehivavin’ny minisiteran’ny Fizahantany.
Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ihany koa ireo tany amin’ny faritra, ary nanatevin-daharana ireo fikambanam-behivavy maro tamin’ny diabe ny fitaleavam-paritry ny Fizahantany sy ofisim-paritry ny fizahantany sy ireo vehivavy eo amin’ny sehatry ny fizahantany.
« 𝑭𝒂𝒏𝒂𝒃𝒆𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒌𝒊𝒛𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚, 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒛𝒂𝒌𝒂𝒏-𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒗𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚, 𝒂𝒏𝒕𝒐𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒔𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒐𝒗𝒂𝒊𝒏-𝒋𝒂𝒇𝒚. »